Manamafy ny fisiany ao aminâny faritra avaratrâi Madagasikara ny PAMF, aminâny fanokafana masoivoho vaovao sy fanatsarana ireo masoivoho teo aloha.
Mitohy hatrany ny ezaka ataonay hanakaiky ny mpanjifa, aminâny fametrahana masoivoho aminâny endriny vaovao ao Antsiranana, Antsohihy ary Mandritsara.
Ny tanjona aminâizany dia tokana ihany : hanamora ny fisitrahana tolotra ara-bola ho anâny rehetra sy handray anjara aminâny ny fampandrosoana eny ifotony.
Fanokafana ny masoivoho PAMF faha 22 ao Antsiranana

Dingana vaovao ho anâny PAMF ity fanokafana ny masoivoho vaovao ao Antsiranana ity, izay manamafy ny fisianay ao aminâny faritra DIANA.
Nosokafana sy notokanana taminâny fomba ofisialy ny 30 martsa lasa teo tao Tanambao Atsimo izany. Notanterahina teo ambany fiahianâny Lehibenâny Faritra sy teo ambany fanohananâny Prefet anâAntsiranana ny lanonana. Voninahitra lehibe ho anay ny nandray ireo tomponâandraikitra isan-tsokajiny, ireo mpiara-miombonâantoka, sy ireo mpandraharaha ara-toekarena tao an-toerana nandritrâizany fotoana izany.
Raha tsiahivina dia efa misy masoivoho ao Ambanja sy Ambilobe, fa ankehitriny kosa dia manamafy ny fiorenanay any Avaratra izahay aminâny alalanâny masoivoho Antsiranana.
Antsiranana, izay tanĂ na manana ny lazany ara-toekarena, ary mendrika tolotra mifanaraka aminâizany.
Ankoatra ny fotodrafitrasa maoderina, ny fitaovana ary ny teknolojia ampiasainay, dia vonona hanome fahafaham-po ny mpanjifa izahay aminâity masoivoho vaovao ity.
Antsohihy : masoivoho nohavaozina ho fanatsarana ny tolotra

Ho fanohizana ny ezaka fanatsarana izay imasoanay, dia nohavaozina tanteraka ny masoivoho ao Antsohihy, ao Ambalabe Andrefana.
Anisanâireo masoivoho PAMF voalohany nisy teto Madagasikara izy io ary fanta-daza ao aminâny faritra SOFIA. Rariny sy hitsiny araka izany raha hasiam-panavaozana. Ny fanatsarana dia natao hanomezana tontolo maoderina kokoa sy mamaly ny filanâny mpanjifa.
Notokanana taminâny 28 martsa, teo ambany fiahianâny Governoranâny faritra SOFIA, ity masoivoho ity. Ny lanonana dia natrehinâireo tomponâandraikitra ao an-toerana, ireo mpiara-miombonâantoka ary ireo mpanjifa mahafatra-po.
Ankoatra ny fanavaozana ny fotodrafitrasa sy ny fitaovana, dia manasongadina ny fandraisanay anjara aminâny fikajiana ny tontolo iainana ihany koa ity masoivoho ity. Mampiasa angovo azo avy aminâny masoandro izahay mba hampihenana ny fandaniana sy ny fiantraikany aminâny tontolo iainana.
Rivo-baovao ho anâny masoivoho Mandritsara

Anisanâireo toerana manan-danja aminâny tantaranay i Mandritsara. Efa niorina nandritrâizay 20 taona nisianâny PAMF Madagasikara izay ity masoivoho Mandritsara mantsy. Niova endrika sy niova toerana ao Ambalabe Mandritsara izy aminâizao fotoana izao.
Ny foto-drafitrasa vaovao dia natao hanomezana tontolo mahafinaritra kokoa sy mifanaraka aminâny filanâny mpanjifa.
Notanterahina ny 27 martsa lasa teo, teo ambany fiahianâireo solombavambahoaka voafidy ao Mandritsara sy niaraka taminâny fanohananâny Lehibenâny Distrika, ny lanonam-pitokanana. Vahiny maro no tonga nanome voninahitra izany.
Mihoatra noho ny fanovana trano, dia fanapahan-kevitra mazava : hanolotra toerana iray hahafahanareo mahatsiaro ho voaray tsara, henoina ary tohanana.
Mbola akaiky kokoa anareo, anio sy rahampitso
Aminâny alalanâireo fanokafana telo ireo, manamafy indray ny iraka ijoroanâny PAMF : hanamora ny fahazoana tolotra ara-bola ary hanohana ny dianâny tsirairay, ny tetikasa tsirairay ary ny nofinofy tsirairay.
đČ Te hanaraka ny vaovao farany sy hahafantatra ny hetsika ataonay ve ianao ? Araho tsy tapaka ny tranokalanay mba tsy ho diso anjara ianao !



























