Mitombo isa ny masoivoho PAMF any amin’ny faritra avaratra

Manamafy ny fisiany ao amin’ny faritra avaratr’i Madagasikara ny PAMF, amin’ny fanokafana masoivoho vaovao sy fanatsarana ireo masoivoho teo aloha.

Mitohy hatrany ny ezaka ataonay hanakaiky ny mpanjifa, amin’ny fametrahana masoivoho amin’ny endriny vaovao ao Antsiranana, Antsohihy ary Mandritsara.

Ny tanjona amin’izany dia tokana ihany : hanamora ny fisitrahana tolotra ara-bola ho an’ny rehetra sy handray anjara amin’ny ny fampandrosoana eny ifotony.

Fanokafana ny masoivoho PAMF faha 22 ao Antsiranana

Dingana vaovao ho an’ny PAMF ity fanokafana ny masoivoho vaovao ao Antsiranana ity, izay manamafy ny fisianay ao amin’ny faritra DIANA.

Nosokafana sy notokanana tamin’ny fomba ofisialy ny 30 martsa lasa teo tao Tanambao Atsimo izany. Notanterahina teo ambany fiahian’ny Lehiben’ny Faritra sy teo ambany fanohanan’ny Prefet an’Antsiranana ny lanonana. Voninahitra lehibe ho anay ny nandray ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny, ireo mpiara-miombon’antoka, sy ireo mpandraharaha ara-toekarena tao an-toerana nandritr’izany fotoana izany.

Raha tsiahivina dia efa misy masoivoho ao Ambanja sy Ambilobe, fa ankehitriny kosa dia manamafy ny fiorenanay any Avaratra izahay amin’ny alalan’ny masoivoho Antsiranana.

Antsiranana, izay tanàna manana ny lazany ara-toekarena, ary mendrika tolotra mifanaraka amin’izany.

Ankoatra ny fotodrafitrasa maoderina, ny fitaovana ary ny teknolojia ampiasainay, dia vonona hanome fahafaham-po ny mpanjifa izahay amin’ity masoivoho vaovao ity.

Antsohihy : masoivoho nohavaozina ho fanatsarana ny tolotra

Ho fanohizana ny ezaka fanatsarana izay imasoanay, dia nohavaozina tanteraka ny masoivoho ao Antsohihy, ao Ambalabe Andrefana.

Anisan’ireo masoivoho PAMF voalohany nisy teto Madagasikara izy io ary fanta-daza ao amin’ny faritra SOFIA. Rariny sy hitsiny araka izany raha hasiam-panavaozana. Ny fanatsarana dia natao hanomezana tontolo maoderina kokoa sy mamaly ny filan’ny mpanjifa.

Notokanana tamin’ny 28 martsa, teo ambany fiahian’ny Governoran’ny faritra SOFIA, ity masoivoho ity. Ny lanonana dia natrehin’ireo tompon’andraikitra ao an-toerana, ireo mpiara-miombon’antoka ary ireo mpanjifa mahafatra-po.

Ankoatra ny fanavaozana ny fotodrafitrasa sy ny fitaovana, dia manasongadina ny fandraisanay anjara amin’ny fikajiana ny tontolo iainana ihany koa ity masoivoho ity. Mampiasa angovo azo avy amin’ny masoandro izahay mba hampihenana ny fandaniana sy ny fiantraikany amin’ny tontolo iainana.

Rivo-baovao ho an’ny masoivoho Mandritsara

Anisan’ireo toerana manan-danja amin’ny tantaranay i Mandritsara. Efa niorina nandritr’izay 20 taona nisian’ny PAMF Madagasikara izay ity masoivoho Mandritsara mantsy. Niova endrika sy niova toerana ao Ambalabe Mandritsara izy amin’izao fotoana izao.

Ny foto-drafitrasa vaovao dia natao hanomezana tontolo mahafinaritra kokoa sy mifanaraka amin’ny filan’ny mpanjifa.

Notanterahina ny 27 martsa lasa teo, teo ambany fiahian’ireo solombavambahoaka voafidy ao Mandritsara sy niaraka tamin’ny fanohanan’ny Lehiben’ny Distrika, ny lanonam-pitokanana. Vahiny maro no tonga nanome voninahitra izany.

Mihoatra noho ny fanovana trano, dia fanapahan-kevitra mazava : hanolotra toerana iray hahafahanareo mahatsiaro ho voaray tsara, henoina ary tohanana.

Mbola akaiky kokoa anareo, anio sy rahampitso

Amin’ny alalan’ireo fanokafana telo ireo, manamafy indray ny iraka ijoroan’ny PAMF : hanamora ny fahazoana tolotra ara-bola ary hanohana ny dian’ny tsirairay, ny tetikasa tsirairay ary ny nofinofy tsirairay.

📲 Te hanaraka ny vaovao farany sy hahafantatra ny hetsika ataonay ve ianao ? Araho tsy tapaka ny tranokalanay mba tsy ho diso anjara ianao !

Famaranana ny GMW 2026 amin’ny teny vitsivitsy

Tanatin’ny roa herinandro, olona marobe no nivondrona nankalaza ny Global Money Week 2026  tanatin’ny hafanam-po sy fientanana. Nifarana tamin’ny fomba miavaka ity fankalazana ity, izay narahana hetsika ara-panatanjahantena. Nisy ny lanonana fankasitrahana ireo mpandray anjara tamin’ny hetsika, izay nandray anjara feno tamin’ny fanabeazana ara-bola.

Trail des Mille escaliers : famaranana ara-panatanjahantena nampivondrona olona maro

Ny Trail des Mille Escaliers no namarana ny hetsika rehetra tamin’ity andiany ity. Notanterahina ny alahady 22 janoary izay, ary toy ny mahazatra dia nandray anjara tamin’izany ny ekipanay.

Manodidina ny telopolo ny mpiara-miasa mavitrika nandray anjara tamin’ity hetsika ara-panatanjahantena ity. Niainga teo Antaninarenina ny hazakazaka, nihazo an’i Mahamasina sy Andohalo, ary nifarana teo amin’ny toerana niaingana.

Ezaka sy faharetana no hita nisoritra teny amin’ireo mpandray anjara nandritr’ity hazakazaka, izay nokarakarain’ny UltraTrek des Collines Sacrées (UCTS) ity.

Ity hetsika ity dia mampiseho ny soatoavina ifotoranay : ny fandraisana andraikitra, ny fahavononana ary ny fahombiazana.

Ankoatra ny ezaka ara-batana, nanamafy ny firaisankinan’ny ekipa ary naneho ny fahavononanay handray anjara mavitrika amin’ireo hetsika eo anivon’ny fiarahamonina ity hetsika ity.

GMW Awards : fankasitrahana ireo mpandray anjara

Taorian’ny roa herinandro niompana tamin’ny fanentanana sy fanabeazana, dia nahazo mari-pankasitrahana ny PAMF nandritry ny « Global Money Week Awards ».

Ity fankasitrahana ity dia manome lanja ireo hetsika rehetra nataonay ho an’ny tanora sy ny fiarahamonina, mba hanamorana ny fanabeazana ara-bola.

Ny fihaonana sy ny fifanakalozan-kevitra rehetra dia nahafahanay nampita fahalalana azo ampiharina amin’ny fiainana andavanandro. Ny tanjona tamin’izany dia ny hanampy ny tsirairay hitantana tsara ny volany.

Ity mari-pankasitrahana ity dia maneho indrindra ny ezaka sy ny fahavononan’ireo ekipanay eny an-kianja. Manamafy ihany koa izany ny finiavanay hanohy sy hanamafy hatrany ny asa ataonay ho an’ny fanabeazana ara-bola.

Ny Global Money Week 2026 no tapitra fa ny fandraisana anjara amin’ny fampiatiana ara-bola kosa dia mitohy hatrany.

👉 Araho eto amin’ny tranokala avokoa ireo hetsika ataonay ho an’ny fanabeazana ara-bola ho an’ny rehetra.

She Leads The Game : maneho ny finiavan’ny vehivavy ny basketball

Ny volana martsa, natokana ho an’ny vehivavy, dia fotoana iray manan-danja hanasongadinana ireo hetsika miavaka. Tafiditra anatin’izany ny hetsika « She Leads The Game », izay notanterahina ny 22 martsa tao amin’ny Gymnase Mahamasina. Fifaninana basketball izay nahavory vehivavy tanora sy lehibe an-jatony.

Tsy fifaninanana basketball 3×3 fotsiny izy ity, fa sehatra iray ahafahan’ireo mpandray anjara maneho ny maha izy azy. Sehatra iray ahafahany mihoitra, matoky tena kokoa ary mitondra ny nofinofiny sy ny tanjony, na eny an-kianja na eo amin’ny fiainana andavanandro.

Hetsika iray manasongadina ny talenta sy ny fahavononan’ny vehivavy

Maherin’ny 300 ireo mpilalao vehivavy nandray anjara tamin’ny « She Leads The Game ». Nahitana sokajy valo, izay nampivondrona ankizy, tanora sy lehibe avy amin’ny toerana samihafa.

Mazava ny tanjon’ny hetsika : mamporisika ny vehivavy haneho ny heriny sy hatoky ny fahaizany. Araka ny nambaran’ny filohan’ny Amazons Ballers :
« Mamporisika ny tovovavy sy ny vehivavy izahay hilalao, na eny an-kianja izany na eo amin’ny fanatrarana ny tanjony. »

Tao anatin’ny fahavononana tanteraka no niatrehan’ireo mpilalao ireo lalao nifandimby. Ny fiaraha-mientana sy ny finiavana no nampiavaka ny lalao tsirairay, ka nampiseho mazava ny herim-pon’ireo mpilalao.

Fandraisana andraikitra mivaingana hanohanana ny vehivavy

Ho an’i i-ndrana 643, ny fanohanana ny « She Leads The Game » amin’ny maha mpanohana ofisialy dia tsy fiaraha-miasa tsotra fotsiny ihany. Izany dia maneho ny fanoloran-tenanay hanohana ny vehivavy amin’ny tetikasany sy hanamafy ny fizakantenany.

Arak’izany, dia nanolotra loka « chèque épargne » mitentina 1 000 000 Ar ho an’ireo ekipa mpandresy tamin’ireo sokajy valo izahay. Ny tanjona amin’izany dia ny hamporisika azy ireo hitahiry vola, hanohana ny nofinofy sy tanjon’izy ireo, ary koa hanamora ny fisitrahan’izy ireo tolotra ara-bola.

Satria ao ambadiki’ny fandresena ara-panatanjahantena tsirairay dia misy tetikasa tiana ho hotanterahina sy vina tiana ho tratrarina.

Fotoana iray feno hafaliana tokoa ny lanonana fanolorana amboara. Ankoatra ny fahazoana loka, dia fotoana nankalazana ny fahasahian’ny vehivavy sy ny herim-pony ity fotoana ity.

Te hahafantatra ireo hetsika hafa nandraisanay anjara ve ianao ?

Araho hatrany ireo vaovao zarainay mba tsy ho diso anjara amin’ireo hetsika rehetra ianao.

Salon GMW 2026 : Sahy miresaka momba ny vola ny tanora

Fahazarana ilaina ny miresaka momba ny vola !

Hetsika iray mandritry ny fankalazana ity herinandro manerantany momba ny vola ity ny « Salon GMW 2026 ». Tontosaina eny amin’ny Fakiolite EGS, ao amin’ny Oniversiten’Antananarivo izany ary mampivondrona ireo mpianatra sy mpisehatra ao amin’ny sehatra ara-bola maro.

Mazava ny tanjona : hamporisika ny fifanakalozan-kevitra sy hanala ny sakana amin’ny firesahana momba ny vola.

Sehatra iray mampifandray ny mpisehatra ara-bola sy ny mpianatra

Fanokafana amin’ny fomba ofisialy ny hetsika

Mandritry ny telo andro, ny 17 hatramin’ny 19 martsa, dia niova ho toerana fampiratiana amin’ny sehatra ara-bola ny Fakiolite EGS. Ahitana tranoheva maro sy famelaberan-kevitra.

Mandray anjara amin’izany ny Banky Foiben’i Madagasikara sy ireo mpisehatra amin’ny fampiatiana ara-boka. Ny tanjona iombonana dia hanamorana ny fahazoana sy ny fitantanana vola ho an’ny rehetra.

Voninahitra lehibe ho anay nanatrika ny lanonana fanokafana ofisialy sy nandray ireo solotenam-panjakana teo amin’ny tranohevanay.

Zava-dehibe tokoa izany fa ny tena mandanja dia ny fifanakalozan-kevitra iarahana amin’ireo tanora sy mpianatra.

Fifanakalozan-kevitra mivantana amin’ny mpianatra

Tranohevan’ny PAMF eo ivelan’ny Fakiolite EGS, Oniveristen’Antananarivo

Ny tranohevanay, eo ivelan’ny Fakiolite EGS dia lasa toerana fifampiresahana sy fifanatonana amin’ireo mpianatra.

Nandeha ho azy ny resaka amin’ireo tanora. Nametraka fanontaniana izy ireo, Nizara ny ahiahiny, ary nahita fa azo atao tsara ny miresaka momba ny vola amin’ny fomba tsotra sy tsy misy henatra.

Ny antony hijoronay eny an-toerana dia ny hanamorana ny fanentanana ireo tanora. Satria matetika dia resaka tsotra no mitarika ny fahalalana momba ny vola.

Fotoana ihany koa izany nanoloranay vahaolana mifanaraka amin’ny tanora, toy ny tolotra « Épargne Avenir enfant/Éducation », natao hanohanana ny tetikasa sy hanampy azy ireo hanorina ny hoaviny am-pitoniana.

Tahiry : dingana mankany amin’ny fahaleovantena

Famelaberan-kevitra natao tao amin’ny Grand Amphi, Fakiolite EGS

Ny firesahana momba ny vola dia midika ihany koa ho fizarana torohevitra azo ampiharina momba ny vola.

Izany no antony andraisanay anjara amin’ny famelaberan-kevitra « Tahiry, antoka ho an’ny fahaleovantena », izay natao ho an’ny tanora sy ny mpianatra.

Ny hafatra lehibe ampitainay dia hoe : ny mitahiry vola dia tsy mametraka vola fotsiny ihany, fa fomba iray miantoka ny hoavy.

Tianay porofoina amin’ny tanora fa ny fahazarana mitahiry vola dia mitondra vokatra lehibe, ary ny tahiry dia fitaovana iray ahafahana manatanteraka tetikasa.

Ny fahaleovantena ara-bola dia tsy miankina amin’ny habetsaky ny vola anananao, fa amin’ny fahazarana apetrakao isan’andro.

Araho tsy tapaka ireo vaovao zarainay !

👉 Araho eto amin’ny tranokala ireo hetsika rehetra ataonay mandritry ny GMW 2026. Tsidio ihany koa ireo torohevitra omenay hanampy anao hitantana ny volanao amin’ny fomba mahomby.

GMW 2026 : Fanentanana momba ny fitantanam-bola tao Analavory

Nitohy tao Analavory ny fankalazana ny Global Money Week 2026. Nisy ny hetsika nokarakaraina nandritr’izany mba hanentanana ny olona momba ny fitantanam-bola sy ny maha-zava-dehibe ny tahiry.

Manodidina ny 50 teo ho eo ny olona nandray anjara tamin’izany. Nisy ny fanentanana niaraka tamin’ireo mpianatra ao amin’ny Lycée Analavory, ary koa ny fifanakalozan-kevitra niarahana tamin’ireo mpikambana ao amin’ny Vondrona Tahiry Ifotony na « Groupe d’Épargne Communautaire » ao an-toerana.

Fanentanana ireo mpianatra tao amin’ny Lycée Analavory

Inona no fomba atao hahatonga ny tanora ho liana amin’ny fitantanam-bola sy ny tahiry ? Tsotra ny valiny : sady mianatra no milalao.

Ny tanjon’ity fanentanana ity dia ny hampahafantatra ireo mpianatra ny fahalalana fototra amin’ny fitantanana teti-bola sy ny tahiry.

Mba hisarihana ny sain’izy ireo dia natao tamin’ny endrika lalao sy fanoharana avy amin’ny fiainana andavanandro ny fampianarana. Nianatra ny fomba fitantanana teti-bola kely izy ireo, ny lanjan’ny vola, ary koa ny fitahirizam-bola voalohany.

Izany no maneho fa na dia vola kely aza dia afaka mitondra fiovana, ary afaka manampy amin’ny fanomanana ny hoavy.

Fifanakalozan-kevitra niarahana tamin’ny Groupe d’Épargne Communautaire

Nisy ihany koa ny hetsika niarahana tamin’ireo mpikambana ao amin’ny Groupe d’Épargne Communautaire ao an-toerana.

Natao tamin’ny endrika fampahafantarana narahina fifanakalozan-kevitra ny fihaonana.

Niresahana lohahevitra maro momba ny fitantanam-bola, toy ny :

  • fandaminana ny teti-bola,
  • maha-zava-dehibe ny mitahiry vola tsy tapaka,
  • ary ireo fomba tsara hanomanana mialoha ny fandaniana.

Nandritr’izany fotoana izany dia afaka nametraka fanontaniana ireo mpandray anjara ary nahazo torohevitra azo ampiharina hanatsarana ny fahazarana mitahiry vola.

Fanamafisana ny kolontsaina ara-bola eo anivon’ny fiarahamonina

Ireo hetsika natao tao Analavory ireo dia mifanaraka tanteraka amin’ny tanjon’ny Global Money Week2026: ny hanampy ny olona hitantana amin’ny fomba mahomby kokoa ny volany.

Nampiray ny tanora ny tanora sy ny olon-dehibe ny hetsika ireo ary nanamafy ny fahalalana ara-bola sy ny kolontsaina ara-bola ho an’ny fiaraha-monina manontolo.

Izao hetsika izao dia mampahatsiahy ihany fa ny fianarana momba ny fitantanam-bola dia afaka manomboka hatramin’ny fahazazana ary mitohy mandritra ny fiainana manontolo.

👉 Te hahalala bebe kokoa momba ireo hetsika ataonay sy ireo torohevitra momba ny fitantanam-bola ve ianao ?
Araho tsy tapaka ny tranokalanay mandritry ny Global Money Week 2026!

Ahoana no atao raha hanokatra kaonty tahiry amin’ny tranokala ?

Ny hoe mitahiry vola dia tsy hoe mametraka vola fotsiny ihany. Fomba iray hanatanterahana ny tetikasanao sy hiantohana ny hoavinao izy io. Lasa haingana sy mora kokoa ho an’ny rehetra ny manokatra kaonty tahiry nohon’ny tolotra nomerika izay ataonay. Afaka manao izany avy hatrany amin’ny alalan’ny solosaina na amin’ny findainao ianao amin’izao fotoana izao !

Inona no tombony azo amin’ny fanokafana kaonty amin’ny tranokala ?

Ny kaonty fitehirizam-bola dia manampy anao hampitombo ny volanao am-pilaminana. Na olon-tsotra ianao na mpandraharaha, manampy anao hiomanana amin’ny tranga tsy ampoizina, hanatanteraka ny tetikasa, na hanangona renivola tsikelikely ny fitehirizam-bola.

Mitsitsy fotoana kokoa ny manokatra kaonty fitehirizam-bola amin’ny aterineto. Tsy mila taratasy sy dingana marobe. Afaka mijery sy mampitaha ny tolotra misy ianao, misafidy izay mifanaraka amin’ny filànao, ary miroso avy hatrany amin’ny fanokafana kaonty PAMF.

Manana tolotra fitehirizana isan-karazany izahay, natao hifanaraka amin’ny filàn’ny tsirairay. Azonao jerena eto ireto tolotra rehetra omenay : 👉 Tolotra fitehirizam-bola

Inona avy ireo dingana arahana raha hanokatra kaonty PAMF ?

Tsotra sy haingana ny dingana. Midira eto amin’ny : 👉 Simulation d’épargne PAMF

Soraty ny lelavola tianao tahirizina sy ny fe-potoana mety aminao. Miseho eo avy hatrany ny zana-bola azonao ary afaka manitsy ny teti-kasanao arak’izany ianao. Avy eo, tsindrio ny “Ouvrir un compte” hanombohana ny fangatahanao. Ao anatin’ny dingana vitsy monja dia misokatra ny kaontinao.

Nataonay ho fohy sy mora ny dingana arahana mba hahafahan’ny rehetra misitraka tolotra fitehirizam-bola azo antoka. Afaka manokatra kaonty am-pitoniana ianao ary miasa ho anao ny volanao.

Aza miandry ela intsony ary ! Manokafa kaonty tahiry dieny izao.

GMW 2026 : Miresaka momba ny vola sy ny kolontsaina ara-bola

Tsy tokony ho lohahevitra saropady ny vola. Ny fianarana mitantam-bola, ny fananana kolontsaina ara-bola sy mitahiry vola dia tena ilaina hananganana hoavy milamina.

Izany indrindra no tanjon’ny « Global Money Week » na « Herinandro manerantany ho an’ny vola » amin’ity taona ity. Mandritry ny roa herinandro ny fankalazana izay miompana amin’ny lohahevitra hoe « Andao hahasahy hiresaka momba ny vola. »

Ity hetsika ity dia natao hampiroboroboana ny fanabeazana ara-bola, indrindra ho an’ny tanora, mba hanampy azy ireo amin’ny ny fitantanam-bola sy hanamafisana ny fampiatiana ara-bola eto Madagasikara.

Fanokafana amin’ny fomba ofisialy ny Global Money Week 2026 tao Antsirabe

Nosokafana tamin’ny fomba ofisialy androany tao Antsirabe, teo anoloan’ny Gara, ny fankalazana ny « Global Money Week 2026 ». Izany dia manamarika ny fiandohan’ny roa herinandro natokana ho an’ny fanabeazana ara-bola sy ny fanentanana momba ny fitantanam-bola.

Ny Coordination Nationale de la Finance Inclusive (CNFI) no mikarakara izao hetsika izaoeto Madagasikara, izay ivondronan’ireo mpisehatra samihafa amin’ny fampiatiana ara-bola.

Nanomboka tamin’ny diabeniainga avy tao amin’ny Lycée André Resampa ny fankalazana. Nivondrona tao ny mpianatra, ny mpiara-miombon’antoka ary ny mpisehatra samihafa mba hankalaza ny maha-zava-dehibe ny kolontsaina ara-bola ary hampahatsiahy fa tokony hanomboka hatramin’ny fahazazana ny fianarana mitantana vola.

Nandritry ny lanonam-panokafana dia nifamdimby nandray fitenenana ireo tompon’andraikitra isan-tsokajiny sy mpiara-miombon’antoka mandray anjara amin’ity hetsika ity. Nandritr’izany fotoana izany, no nizaranay ny asanay momba ny fampiatiana ara-bola sy nanambaranay ireo hetsika hotanterahinay mandritr’ity « Global Money Week ity ».

Maro ireo hetsika sy fanentanana momba ny fanabeazana ara-bola izay notontosaina nandritry ny tontolo andro. Tsotra ny tanjona amin’izany : mizara fahalalana ho an’ny tanora mba hahazain’izy ireo hitantana tsara ny volany.

Fanamafisana ny kolontsaina ara-bola ho an’ny tanora sy ny fiarahamonina

Nanomboka talohan’ny lanonana ofisialy ny hetsika fanabeazana ara-bola, izay nataonay, tamin’ny alalan’ny fitsidihana sy fanentanana eny ifotony.

Nitsidika ny Lycée FJKM Filadelfia tao Antsirabe ny ekipanay mba hampahafantatra ny mpianatra ny fototry ny kolontsaina ara-bola. Nizara ny maha-zava-dehibe ny fitahirizam-bola syny fitantanam-bola tamin’ireo tanora izy ireo.

Tao anatin’izany fifampizarana izany ihany koa, nandray ny fitsidihan’ny CNFI sy ireo mpianatra avy amin’ny Oniversite ASJA ny masoivoho PAMF Antsirabe. Ity fihaonana ity dia nahafahan’ny besinimaro nahafantatra bebe kokoa ny asanay izay miompana amin’ny fampiatiana ara-bola.

Zava-dehibe aminay ny fizarana fahalalana sy traikefa, satria mino izahay fa ny fahalalana no lakilen’ny fanapahan-kevitra ara-bola tsara sy ny fitantanana vola am-pahendrena.

Nitohy tao Ambohimandroso ihany koa ny hetsika, izay nanatanterahan’ny ekipanay. Nisy ny fanentanana ireo mpianatra ao amin’ny Lycée Ambohimandroso sy ireo Vondrona Tahiry Ifotony. Izany no natao mba hanamafisana ny fahalalana sy hanohanana ny ezaka ataon’izy ireo amin’ny fitahirizam-bola.

Ireo fotoana fifanakalozana ireo dia mampiseho fa fitaovana mahery vaika ny fanabeazana ara-bola amin’ny fanohanana ny tanora sy ny fiarahamonina ho amin’ny fahaleovantena ara-bola.

Vao manomboka ny Global Money Week 2026 !

Mandritry ny roa herinandro ho avy dia hizara torohevitra mahasoa momba ny fitantanam-bolasy hetsika maro miompana amin’ny fanabeazana ara-bola izahay.

👉 Araho hatrany ny tranonkalanay mba tsy ho diso anjara ianao amin’ireo vaovao zarainay, izay hanampy anao hitantana ny volanao amin’ny andavanandro.

Andao hiresaka momba ny vola !

Anatin’ny fianakaviana maro, misy lohahevitra iray mbola zara raha resahina: ny vola.
Indraindray resahina amin’ny feo malefaka izy io, ary matetika aza tsy resahina mihitsy. Toy ny hoe lohahevitra saropady na tsy tokony horesahina. Kanefa, ao ambadik’io fahanginana io dia matetika misy fanontaniana sy fisalasalana… ary indrindra koa faniriana hahatakatra bebe kokoa.

Ary ahoana raha ovaina izany ?

Alaivo sary an-tsaina anie ny fotoana hahafahana miresaka malalaka momba ny tetibola, ny tahiry na koa ny safidy ara-bola. Resaka tsotra, nefa manampy ny tsirairay hahafantatra ny fomba fitantanam-bola isan’andro.

Izany indrindra no tanjon’ny Global Money Week 2026, hetsika iraisam-pirenena natokana ho an’ny fanabeazana ara-bola. Amin’ity taona ity, mazava ny lohahevitra : « Andao hahasahy hiresaka momba ny vola ».

Satria raha ny marina, tsy tokony ho fady ny miresaka vola. Ny fifampizarana, ny fanontaniana ary ny fianarana no manampy antsika handray fanapahan-kevitra tsara kokoa ho an’ny hoavintsika ara-bola.

Maninona no zava-dehibe ny miresaka momba ny vola ?

Mampiasa vola foana isika eo amin’ny fiainantsika andavanandro : rehefa miantsena, rehefa mandoa faktiora, na rehefa mitahiry vola ho an’ny tetikasa iray. Kanefa, anatin’ny tokantrano maro dia mbola vitsy ny miresaka momba azy.

Tsy hoe tsy mahaliana ny resa-bola, fa tsy nampianarina hiresaka momba izany isika. Lasa lohahevitra ialàna na avela mangina fotsiny.

Kanefa indraindray dia resaka tsotra monja dia afaka manova ny fomba fijerintsika. Rehefa manomboka miresaka vola ny fianakaviana iray, dia misy fahalalana sarobidy ampitaina.

Mianatra tsikelikely ny ankizy fa ny vola tsy natao holaniana fotsiny ihany, fa mila tantanana amim-pitandremana. Mianatra mandamina fandaniana, misoroka ny fividianana tampoka, ary mieritreritra ny tahiry ho an’ny ho avy.

Rehefa mandeha ny fotoana, dia tsy lohahevitra saropady intsony ny vola. Lasa fitaovana manampy antsika hitantana tsara kokoa ny volantsika.

Ny fanabeazana ara-bola, lakilen’ny hoavy mamiratra

Ny fanabeazana ara-bola dia manampy antsika hahafantatra bebe kokoa ny fomba fiasan’ny vola. Manampy ihany koa izy io hananganana fiarovana ara-bola ho an’ny hoavy.

Ny dingana voalohany dia ny fanaraha-maso ny fandaniana. Rehefa fantatra izany dia mora kokoa ny mandamina ny tetibola sy ny tahiry.

Na dia tahiry kely aza dia mety hitondra fiovana lehibe. Afaka manampy hiatrehana toe-javatra tsy ampoizina izy ireny, ary manampy koa amin’ny fanatanterahana tetikasa.

Ny fanabeazana ara-bola dia manampy antsika hitantana ny vola amin’ny fomba mahomby kokoa ary handray fanapahan-kevitra mazava.

 « Microfinance » : manampy amin’ny fampiatiana ara-bola

Manana anjara toerana lehibe, ho an’ny firenena maro, ny « microfinance » amin’ny alalan’ny fanomezana tolotra ara-bola.

Tafiditra anatin’izany ny tahiry, ny fampindramam-bola ho an’ny tetikasa, na koa ny fanomezana torohevitra ara- bola. Manampy ny fianakaviana sy ny mpandraharaha hitantana tsara ny volany izy ireo arak’izany.

Amin’ny maha mpisehatra amin’ny fampiatiana ara-bola, ny PAMF dia handray anjara mavitrika amin’ny fankalazana nhy Global Money Week 2026.

Hisy hetsika maro hotanterahina amin’izany : toy ny fanentanana any amin’ny toerana isan-karazany, lahadinika, fifanakalozan-kevitra, ary hetsika hanentanana ny olona hiresaka bebe kokoa momba ny fanabeazana ara-bola sy ny fitantanana vola.

Araho akaiky ny fankalazana ny Global Money Week 2026 !

Jereo eto ireo vaovao rehetra zarainay mba hahafantaranao ireo hetsika, torohevitra ary fanentanana hozarainay mandritr’ity fankalazana natokana ho an’ny fanabeazana ara-bola ity.

MA-ARO, fiantohana natao ho an’ny fianakaviana malagasy

Ny maka fiantohana ho an’ny fianakaviana dia tsy midika hoe miandry loza, fa fiomanana mialoha.

Mety hisy trangan-javatra tampoka ao an-trano, mety ho aretina, mety ho loza mitranga any an-tsekoly. Tsy misy mahalala mialoha izany. Fa rehefa mitranga ny tsy ampoizina dia mety handany vola be, ka manakorontana ny teti-bolan’ny tokantrano.

Inona ary ny fomba atao hiarovana ny fianakaviana raha misy tampoka ?

Izany indrindra no namoronanay ny « Assurance MA-ARO », izay hiarahanay miasa amin’ny Assurance ARO. Vahaolana tsotra, natao hifanaraka amin’ny fiainan’ny fianakaviana malagasy.

« Micro-assurance », manamora ny fiantohana ho an’ny rehetra

Ny « micro-assurance » dia manamora ny fahafahana misitraka tolotra fiantohana amin’ny fomba tsotra sy mora aloa. Notontosaina ny alatsinainy 02 martsa lasa teo, tato amin’ny foiben’ny PAMF, ny fanaovan-tsonia ity fifanaraham-piasa miaraka amin’ny Assurance ARO ity.

Manome fiarovana telo lehibe ny tolotra MA-ARO :

  • « Assurance Prévoyance » : Fiarovana raha misy fahafatesana noho ny aretina na loza tsy nahy, ary koa ny tsy fahafahana miasa intsony. Izany fiarovana izany dia manampy amin’ny fandaniana ilaina.
  • « Responsabilité Civile Vie Privée » : fiantoana ny vokatry ny hetraketraka nataon’ny hafa tamin’iray ao anatin’ny ankohonana na koa ny hetraketraka nataon’ny mpikambana anatin’ny ankohonana amin’ny hafa.
  • « Assurance Vie Scolaire » : fiarovana ny ankizy raha sendra loza any an-tsekoly na eny an-dalana ho any an-tsekoly.

Tsotra ny tanjona amin’ity tolotra ity : miahy ny filaminan’ny tokantrano rehefa misy tranga tsy ampoizina. Satria ny fisitrahana fiantohana azo antoka dia tokony ho mora ho an’ny rehetra.

Iza avy no afaka misitraka ny fiantohana ?

Ho an’ny olona 21 ka hatramin’ny 64 taona izy ity, ary azo havaozina hatramin’ny 70 taona.

Afaka misitraka izany ny ankohonana, ny olona miray trano, ny ankizy mpianatra, ary hatramin’ny biby fiompy ao an-tokatrano aza.

Tafiditra ao anatin’ny Crédit Education ny tolotra MA-ARO mba hahafahan’ny ray aman-dreny miantoka ny hoavin’ny ankohonana, ankoatra ny fandaniana amin’ny ny fampianarana ny zanany.

Araka izany, ny ray aman-dreny, ny mpiasa amin’ny sehatra rehetra, ary koa ny mpandraharaha madinika dia afaka misitraka ity tolotra ity mora foana, ary tsy mila dingana sarotra. Mazava sy tsotra ny fanaovana fanambarana raha misy loza, ary natao ho takatry ny rehetra ny sarany isan-taona.

Satria ny fiarovana ny fianakaviana dia tsy tokony ho mora ary tokony ho safidy tsotra sy mazava.

Te hilamin-tsaina ve ianao ?

Manatona ny masoivoho PAMF akaiky anao indrindra hahafantaranao bebe kokoa raha te hisitraka tolotra MA-ARO.
Azonao jerena eto ny lisitry ny masoivoho rehetra !

Fambolen-kazo 2026 : Mamboly hazo anio hiarovana ny ampitso

Ny fambolen-kazo dia hetsika tsotra. Saingy rehefa averina in’arivony izany, dia lasa hery lehibe ho an’ny fiarovana ny tontolo iainana sy ny fampihenana ny entona karbonina avoakantsika.

Ny fambolen-kazo dia asa mivaingana ho fiarovana ny tontolo voajanahary. Tsy izay ihany fa manatsara ny fahavokaran’ny tany ary mitondra fampandrosoana maharitra mifanaraka amin’ny zava-misy eny ifotony.

Ambatomalaza : miaro ny tany, manohana ny fiarahamonina

Tao Ambatomalaza, olona manodidina ny 500 — mpiasa, fianakaviana, mpikambana ao amin’ny Vondrona Tahiry Ifotony (Groupement d’Epargne Communautaire) ary mponina eny an-toerana — no niray hina hiaro ny tany fambolena sy ny tontolo voajanahary eo an-toerana.

Niara-niasa tamin’ny vondrom-piarahamonina Ismaili sy ny Organisation de Soutien pour le Développement Rural à Madagascar (OSDRM), zana-kazo 4 000 no novolena, ahitana frêne sy karazana hazo mifanaraka amin’ny toetr’andro sy ny tany ao an-toerana.

Satria miankina amin’ny fambolena ny fiainan’ny mponina ao an-toerana, dia mitana anjara toerana lehibe ny fanarenana ala :
• manatsara ny fahavokaran’ny tany
• mampihena ny fihotsahan’ny tany
• miaro ny voly

Natomboka tamin’ny taona 2021 ity fandaharanasa ity, ary efa nahafahana namboly hazo maherin’ny 20 000 tany amin’ny faritra dimy manerana an’i Madagasikara. Nahazoana vokatra tsara izany satria manodidina ny 90 % ny taha-pahaveloman’ny hazo, noho ny fanaraha-maso iarahana amin’ny fiarahamonina eny an-toerana.

Mitohy ny fiaraha-mientana any amin’ny faritra

Nitohy manerana ny nosy ny hetsika, tamin’ny fambolena hazo fihinam-boa, frêne, akasia ary mantaly, voafidy araka ny filàn’ny faritra tsirairay.

• Faritra Avaratra : Antsohihy, Befandriana ary Marovoay – hazo manodidina ny 1 000 no novolena
• Faritra Andrefana : Mahajanga, indrindra tao Marohogo – nambolena zana-kazo vaovao
• Faritra Atsimo : Antsirabe sy Fianarantsoa – nitohy ny asa fanarenana ala

Ireo hetsika ireo dia notanterahina niaraka tamin’ny ireo Vondrona Tahiry Ifotony, fikambanana any an-toerana, tompon’andraikitram-panjakana ary ny mponina.

Raha atambatra, hazo maherin’ny 8 000 no novolena nandritra ity hetsika ity. Izany dia maneho fahavononana mazava sy maharitra amin’ny fiarovana ny tontolo iainana.

Andao tohizana ny asa !

Ny fambolen-kazo dia tsy hetsika indray mandeha fotsiny. Fiaraha-mientana maharitra izy io, izay mitombo lanja isaky ny misy mandray anjara.

Ny fiarovana ny tontolo iainana dia paikady hiarovana sy hanatsarana ho an’ny hoavin’ny taranaka rahatrizay.

Andao hanohy ny ezaka efa natao !